1 Fihirana fiakarana*. Andeha, misaora an'i Jehovah**, ianareo rehetra mpanompon'i Jehovah, Izay mitoetra alina ao an-tranon'i Jehovah.[*Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga][**Na: misaora an'i Jehovah amin'ny alina]

2 Manandrata ny tananareo ho amin'ny fitoerana masina*, Ka misaora an'i Jehovah.[Na: amin'ny fahamasinana]

3 Hitahy anao avy ao Ziona anie Jehovah Mpanao ny lanitra sy ny tany.
